V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena
Laharana 2440 amin’ny Katesizy
Ny fanampiana mivantana no anisan’ny valy sahaza ny filana eo no ho eo avy hatrany, tsy araka ny fanao mahazatra, ohatra, vokatry ny loza voa-Janahary, ny valanaretina, sns.. Kanefa tsy ampy izany hanonerana ny fahavoazan-dehibe vokatry ny toe-javatra nampahantra, na hiahiana amin’ ny fomba maharitra ny filana. Tokony hohatsaraina koa ireo fikambanana iraisam-pirenena momba ny toe-karena sy ny vola mba hanondrotan’izy ireo tsaratsara kokoa ny fifandraisana ara-dalàna amin’ireo firenena tsy mbola mandroso firy[44]. Tokony hotohanana ny ezaka ataon’ireo tany mahantra miasa ho amin’ny fitomboan’ny haren’izy ireo sy ho amin’ny fanarenan-dohan’ny toe-karenan’izy ireo[45]. Izany fitambaram-pampianarana izany dia mila hotanterahina amin’ny fomba tena manokana eo amin’ny sehatr’asam-pambolena. Ny tantsaha, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, no mamorona ny ankapobem-bahoaka izay ahitana mahantra betsaka.