Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Laharana 244 amin’ny Katesizy
Ny fiandohan’ny Fanahy Masina hatramin’ny mandrakizay, dia voaseho amin’ny fanirahana Azy teto an-tany. Ny Fanahy Masina izay nirahin’ny Ray tamin’ny anaran’ny Zanaka tao amin’ny apôstôly sy ny Fiangonana, dia nirahin’ny Tenan’Izy Zanaka koa, nony tafaverina teo amin’ny Ray Izy[66]. Ny fanirahana ny Tenan’Izy Fanahy Masina taorian’ny fanomezam-boninahitra an’i Jesoa[67], dia manambara feno ny misterin’ny Trinite Masina.