V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena
Laharana 2437 amin’ny Katesizy
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny tsy fitovian’ny loharanon-karena sy ny fitaovam-pihariana dia mampisy “hantsana” marina tokoa eo amin’ ny samy firenena[39]. Etsy an-daniny, misy ireo manam-be sy manitatra ny fomba fampitomboana izany, ary etsy an-kilany ireo ihandronan’ny trosa.