IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Laharana 2434 amin’ny Katesizy

Ny karama ara-drariny no vokatry ny asa ara-dalàna. Ny mandà izany na ny mitana izany dia mety ho anisan’ny tsy fahamarinana lehibe[36]. Mba hanombanana ny karama marina, tsy maintsy heverina miaraka ny filana sy ny anjara asa vitan’ny tsirairay. “Rahefa voadinika lalina avokoa ny asa sy ny zava-bokatra, ny toe-bolan’ny orinasa sy ny soa iombonana, dia tokony ho afaka miantoka ny olona sy ny ankohonany amin’ny fivelomany sy ny ilainy ho amin’ny fiainana mendrika eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsôsialy, ara-tsaina ary ara-panahy, ny karama avy amin’ny asa”[37]. Ny fifanarahana ifanaovan’ny roa tonta, dia tsy ampy hanamarinana ara-pitsipi-pitondran-tena ny fitambaran-karama.

Loharano ôfisialy ↗