IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Laharana 2432 amin’ny Katesizy

Ireo tompon’andraikitra ny orinasa no mampiseho eo anatrehan’ny fiaraha-monina ny andraikiny ara-toe-karena sy ara-tontolo iainana amin’ ny vokatry ny asan’izy ireo[33]. Tsy maintsy mandinika ny soa hoan’ny olona izy ireo fa tsy ny fampitomboana fotsiny ny tombon-tsoa. Na izany aza, ilaina ny tombon-tsoa. Izy no hahafahana mampiasa petra-bola iantohana ny hoavin’ny orinasa. Izy no miantoka ny fananana asa.

Loharano ôfisialy ↗