III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy

Laharana 2422 amin’ny Katesizy

Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy dia misy ventim-pampianarana mifampitohy arakaraka izay hanazavan’ny Fiangonana ny zava-miseho eny am-pamakivakiana ny tantara, amin’ny fahazavan’ny fitambaran’ny teny nambaran’i Jesoa-Kristy miaraka amin’ ny fanampian’ny Fanahy Masina[18]. Izany fampianarana izany dia vao mainka manjary azo ekena ho an’ny olona tsara sitrapo izay tsiloviny bebe kokoa amin’ny fitondran-tenan’ny mpino.

Loharano ôfisialy ↗