Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary

Laharana 2417 amin’ny Katesizy

Nankinin’Andriamanitra amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ilay izay nataony mitovy endrika Aminy ny biby[14]. Noho izany, ara-drariny ny ampiasana ny biby ho amin’ny fivelomana sy ny fanamboarana fitafiana. Mety ny mamolaka sy manatamana azy ireny mba hanampy ny olombelona amin’ny asany sy amin’ny fialam-boliny. Ireo fanandramana ara-pitsaboana sy ara-tsiansa amin’ny biby dia fomba amam-pihetsika azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena, raha toa  izy ireny ka mijanona amin’ny fetra ara-pahendrena sy manampy hitsaboana na hamonjena ny ain’ olombelona.

Loharano ôfisialy ↗