Ny fisaraham-panambadiana
Laharana 2386 amin’ny Katesizy
Mety hianjadiam-pahoriana, kanefa tsy manan-tsiny, ny iray amin’ny mpivady, noho ny fisaraham-panambadiana neken’ny lalàm-panjakana ; tsy mandika ny didy ara-môraly io vady io amin’izany. Satria, misy tsy fitoviana lehibe eo amin’ny vady manao izay tratry ny ainy amim-pahamarinana mba tsy hivadika amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana, nefa dia nariana tsy an-drariny, sy eo amin’ny vady nandrava ny fanambadiana vanona araka ny lalàm-piangonana, tamin’ny alalan’ny fahadisoana lehibe avy aminy[57].