Ny fisaraham-panambadiana

Laharana 2383 amin’ny Katesizy

Ny fisarahan-toeran’ny mpivady mbola ampiraisin’ny fifamatoram-panambadiana dia mety ho ara-drariny, amin’ny anton-javatra sasantsasany tondroin’ny Lalànan’ny Fiangonana[55].

Raha ny fisaraham-panambadiana ara-panjakana no hany sisa azo atao iantohana ny zo sasantsasany ara-drariny, toy ny fikarakarana ny zanaka na ny fiarovana ny fananana, dia mety ho azo leferina izany, tsy atao ho anisan’ny fahadisoana ara-môraly.

Loharano ôfisialy ↗