Ny fiterahana amin’ny fanambadiana

Laharana 2366 amin’ny Katesizy

Ny fiterahana dia sady fifanoloran-tena no tanjon’ny fanambadiana, satria ny fitiavan’ny mpivady dia mikendry, araka ny toetra voa-Janahary, ny hiteraka. Tsy hoe avy any ivelany tsy akory ny zanaka, nampiana tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady ; mipoitra avy ao anivon’io fifanoloran-tena io mihitsy izy, izay izy no vokatra sy fahatanterahana. Koa, ny Fiangonana izay “mandala ny aina”[30], dia mampianatra fa “ny asa rehetra momba ny fanambadiana dia tokony haharitra hisokatra ho amin’ny fampitàna ny aina”[31]. “Izany fitambaram-pampianarana izany, nohazavain’ny Toniam-pampianarana imbetsaka, dia miorina amin’ny fatotra tsy azo sarahina izay sitrak’Andriamanitra ary tsy azon’ny olombelona sarahina amin’ny eritreritry ny tenany fotsiny ny amin’ireto hevitra roa fonosin’ny asam-panambadiana ireto : firaisana sy fiterahana”[32].

Loharano ôfisialy ↗