Ny tsy fivadihan’ny mpivady

Laharana 2364 amin’ny Katesizy

Ny mpivady no mamorona “ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavan’ ny mpianakavy izay naorin’ny Mpahary sy nomeny ny lalànany manokana. Ny fifaneken’ny mpivady no iorenan’io fiombonana io, izany hoe : amin’ ny fifanekena ifanaovan’izy roa manokana sy raikitra tsy azo ravana”[26]. Mifanolo-tena mandra-maty sy manontolo izy roa. Tsy roa intsony izy ireo, fa manomboka hatreo dia manjary nofo iray ihany. Ny dinam-panekena nifanaovan’ny mpivady tamin-kalalahana no manery azy ireo hitana izany ho tokana sy tsy azo ravana[27]. “Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’ olombelona sarahina mihitsy” (Mk 10,9)[28].

Loharano ôfisialy ↗