Fahadiovam-pitiavana sy firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy

Laharana 2357 amin’ny Katesizy

Ny hoe firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy dia ilazana ny fifandraisana eo amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy, izay avy amin’ny fanintonan’ny maha-lahy na ny maha-vavy, manokana na mahery vaika, hiaraka toy ny mpivady amin’ny olona mitovy tena aminy ihany. Endrika maro miovaova tokoa no nisehoan’izany teny am-pamakivakiana ny taonjato mifandimby sy ny kolontsaina teny. Tsy mbola hita mazava ny tena fiandohany ara-tsaina. Avy amin’ny Soratra Masina, izay mampahafantatra ny maha-faharatsiana lehibe izany[21], no iankinan’ny Lovam-pampianarana amin’ny fanambaràny hatrany fa “ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy dia tena filibàna mifamotitra tanteraka”[22]. Mifanohitra amin’ny lalàna voa-Janahary izany, sady mamongotra ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fiterahana. Tsy avy amin’ny tena fifamenoan’ny fitiavana sy ny fifamenoan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy marina izany, ka tsy misy ahazoana mankato izany na inona na inona antony.

Loharano ôfisialy ↗