Herim-panahy enti-mitondra tena ny fahadiovam-pitiavana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra, fahasoavana, vokatry ny tsanganasan’ny Fanahy koa izy[14]. Ny Fanahy Masina no mahatonga ilay izay nateraka indray tamin’ ny ranon’ny Batemy hanahaka ny fahadiovan’i Kristy tsy misy pentina[15].