I. “Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo…”
Laharana 2335 amin’ny Katesizy
Ny olona tsirairay na ny lehilahy na ny vehivavy, izay mitovy fahamendrehana, na dia samy hafa fomba aza, dia endriky ny herin’ Andriamanitra sy ny hamamim-pitiavany. Ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fanambadiana no fomba hanahafana ao amin’ny nofo ny fahalalam-pon’ny Mpahary sy ny fampisiany olona : “Mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy mba hiraiki-po amin’ny vadiny ; ho nofo iray ihany izy roa” (Jen 2,24). Avy amin’io firaisana io no iandohan’ny fiterahana ny taranak’olombelona rehetra[5].