Ny fanalan-jaza
Laharana 2270 amin’ny Katesizy
Tsy maintsy hajaina sy arovana amin’ny fomba rehetra ny ain’ olombelona, manomboka amin’ny fotoanan’ny fiforonany ao am-bohoka. Manomboka amin’ny fotoana voalohan’ny fisiana ho olona, dia tokony haseho eo aminy ny fanekena ny zo maha-olona azy, anisan’izany ilay zo tsy azo dikaina eo amin’ny tsy manan-tsiny rehetra, dia ny zo ho velona[46].
Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao. Raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko (Jer 1,5).
Tsy niafina taminao ny tenako tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, notenomina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany (Sal 139,15).