IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana
Laharana 223 amin’ny Katesizy
Dia ny mahalala ny halehiben’Andriamanitra sy ny fahamboniany : “Eny, lehibe tokoa Andriamanitra fa mihoatra ny fahalalantsika Izy” (Jôba 36,26). Izany indrindra no tsy maintsy “anompoana voalohany”[43] an’Andriamanitra.