Adidin’ny ray aman-dreny

Laharana 2225 amin’ny Katesizy

Tamin’ny fahasoavan’ny sakramentan’ny fanambadiana no nandraisan’ny ray aman-dreny ny fiandraiketana mbamin’ny tombon-tsoa manokana hitory ny Evanjely amin’ny zanak’izy ireo. Ho ampianarin’izy ireo ny misterin’ny finoana ny zanak’izy ireo, dieny mbola kely, ary izy ireo no “iraka mpitory voalohany”[18] amin’ny zanany. Ho ampandraisin’izy ireo anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana izy, dieny hatramin’ny fahazazany. Ny fomba fiainan’ny fianakaviana dia afaka mitaiza ny fientanam-pitiavana izay haharitra ho fambara marina mialoha sy tohan’ny finoana velona, mandritra ny fiainana manontolo.

Loharano ôfisialy ↗