Fitiavana Andriamanitra

Laharana 221 amin’ny Katesizy

Mbola lasa lavidavitra kokoa aza i Md Joany tamin’izy nanamarina hoe : “Andriamanitra dia Fitiavana” (1 Jo 4,8.16) : ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no Fitiavana. Tamin’ny nanirahan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana sy ny Fanahy Fitiavana, rahefa feno ny fotoana, no nanambaràny ny tsiambaratelony lalina indrindra[42] : Izy Tenany rahateo ihany dia fifanakalozam-pitiavana mandrakizay : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ary nanendry antsika Izy mba hiombona anjara amin’izany.

Loharano ôfisialy ↗