Ny didy fahefatra
Laharana 2200 amin’ny Katesizy
Misy valisoany ny fitandremana ny didy fahefatra : “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao any amin’ny tany izay omen’ ny Tompo Andriamanitrao anao” (Eks 20,12)[3]. Ny fanajana io didy io dia mampahazo, miaraka amin’ny vokatra ara-panahy, ny vokatra ara-nofo eto an-tany momba ny fiadanana sy ny fanambinana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny tsy fitandremana io didy io dia mahatonga fahavoazana lehibe ho an’ny fiombonamben’ny olombelona sy ho an’ny tenan’ny olombelona.