« Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao »
Laharana 2196 amin’ny Katesizy
Ho valin’ny fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa ny amin’izay voalohany amin’ireo didy, dia hoy Izy : “Ny voalohany, dia izao : "Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanintsika no hany Tompo Tokana ; ary ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao manontolo !" Ny faharoa, dia izao : "Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao." Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo” (Mk 12,29-31).
Mampahatsiahy izany i Md Paoly : “Izay tia ny hafa dia efa nahatanteraka ny lalàna. Satria ny didy hoe : Tsy hijangajanga ianao ; tsy hamono olona ianao ; tsy hangalatra ianao ; tsy hitsiriritra ianao, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voafintin’ireto teny ireto hoe : Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao. Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana. Koa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany” (Rôm 13,8-10).
Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro hiainana ianao any amin’ny tany izay omen’ny Tompo Andriamanitrao anao (Eks 20,12).
Nanaiky azy ireo Izy (Lk 2,51).
Ny Tenan’i Jesoa Tompo mihitsy no nampahatsiahy ny herin’io “didin’Andriamanitra”[1] io. Hoy ny fampianaran’ny apôstôly : “Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo, ao amin’ny Tompo, fa izany no rariny. "Hajao ny rainao sy ny reninao", izany no didy voalohany izay nasiana teny fampanantenana hoe : "mba hahita soa sy ho finaritra amin’ny andro lava iainana eto ambonin’ny tany ianao" ” (Efez 6,1-3)[2].