Fitiavana Andriamanitra

Laharana 218 amin’ny Katesizy

Teny am-pamakivakiana ny tantarany no nahafahan’i Israely nahita fa tsy nisy afa-tsy antony anankiray no nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany taminy, sy nifidianany azy teo anivon’ny firenen-drehetra mba ho Azy : ny fitiavany maimaim-poana[35]. Ary dia tsapan’i Israely tamin’ny alalan’ny mpaminaniny fa mbola noho ny fitiavana no tsy nitsaharan’Andriamanitra namonjy azy[36], sy ny namindrany fo taminy tamin’ny fivadihany mbamin’ny fahotany[37].

Loharano ôfisialy ↗