Fahamarinana Andriamanitra
Laharana 216 amin’ny Katesizy
Ny fahamarinan’Andriamanitra no fahendreny izay mibaiko ny filaminana manontolo eo amin’ny zavaboary sy eo amin’ny fitondrana an’izao tontolo izao[31]. Andriamanitra izay hany nahary ny lanitra sy ny tany[32], no hany afaka manome ny fahalalana marina ny zavatra rehetra noarìna, amin’ny fifandraisany Aminy[33].