III. Andriamanitra, “Ilay Misy”, dia Fahamarinana sy Fitiavana

Laharana 214 amin’ny Katesizy

Andriamanitra, “Ilay Misy”, dia nanambara ny Tenany tamin’i Israely fa Ilay “manankarena famindram-po sy fahamarinana” (Eks 34,6). Samy manambara amin’ny fomba mifintina ny haren’ny anaran’Andriamanitra ireo fomba fiteny anankiroa ireo. Ao amin’ny tsanganasany rehetra Andriamanitra no mampiseho ny fahalemem-panahiny, ny hatsaram-pony, ny fahasoavany, ny fitiavany ;  nefa koa ny fahatokiany, ny faharetany, ny tsy fivadihany, ny fahamarinany. “Misaotra ny anaranao aho, noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao” (Sal 138,2)[29]. Izy no Fahamarinana, satria “Andriamanitra dia Fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao Aminy” (1 Jo 1,5) ; “Fitiavana” Izy, araka ny ampianaran’i Joany apôstôly izany (1 Jo 4,8).

Loharano ôfisialy ↗