IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”

Laharana 2132 amin’ny Katesizy

Tsy manohitra ny didy voalohany izay mandrara ny sampy, ny fanajana am-bavaka ataon’ny kristianina amin’ny sary. Satria, “ny fanajana atao amin’ny sary dia fanajana ilay olona voaseho amin’izany”[62], ary, “na iza na iza manaja ny sary dia manaja ny olona izay voaseho ao amin’izany”[63]. Ny fanajana atao amin’ny sary masina dia “fanajana mendri-kaja” fa tsy fitsaohana izay tsy sahaza afa-tsy amin’Andriamanitra irery :

Ny mari-panajana ara-pivavahana atao dia tsy mivantana amin’ny sary amin’ny tena maha-sary tokoa azy, fa mijery azy amin’ny endrika asehon’ny sary izay mitarika antsika mankany amin’Andriamanitra tonga nofo. Ary amin’izany ny fihetsika izay avantana amin’ny sary amin’ny maha-sary azy, dia tsy miantefa sy mijanona aminy, fa mankamin’ilay tena izy asehon’ilay sary[64].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗