Ny sorona
Laharana 2100 amin’ny Katesizy
Mba ho tena izy ny sorona hita maso, dia tsy maintsy ho fanehoana ny sorona ara-panahy : “Fanahy torotoro no sorona atolotro....” (Sal 51,19). Ny mpaminanin’ny Fanekem-pihavanana Taloha dia matetika nanome tsiny ny sorona natao tsy misy fandraisana anjara ao anaty[11] na tsy misy fifamatorana amin’ny fitiavana ny namana[12]. Nampahatsiahy ny tenin’i Ôsea mpaminany i Jesoa hoe : “Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona” (Mt 9,13 ; 12,7)[13]. Ny hany sorona lavorary dia izay natolotr’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana ho fanolorana manontolo amin’ny fitiavana ny Ray sy ho famonjena antsika[14]. Ny firaisantsika amin’ny sorona natolony no hahafahantsika manao ny fiainantsika ho sorona ho an’Andriamanitra.