Ny Didy folo ao amin’ny Soratra Masina
Laharana 2060 amin’ny Katesizy
Anisan’ny fanekem-pihavanana namafisin’Andriamanitra tamin’ireo izay azy ny fanomezana ny didy sy ny lalàna. Araka ny bokin’ny Eksaody, ny fanambaràna ny “teny folo” dia nekena teo anelanelan’ny fanolorana ny fanekem-pihavanana[12] sy ny famaranana azy[13] – rahefa nampanantena ny vahoaka fa “hanao” izay rehetra voalazan’ny Tompo, ary hanaiky izany[14]. Tsy nampitaina na oviana na oviana ny Didy folo raha tsy taorian’ny fampahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana (“Nanao fanekem-pihavanana tamintsika tao Hôreba ny Tompo Andriamanitsika” : Det 5,2).