Ny Didy folo ao amin’ny Soratra Masina

Laharana 2056 amin’ny Katesizy

Ny teny hoe “Didy folo” dia midika ara-bakiteny hoe “teny folo”  (Eks 34,28; Det 4,13; 10,4). Andriamanitra no nanambara tamin’ny vahoakany teo an-tendrombohitra masina, ireo “teny folo” ireo. Tamin’ny Rantsantanany no nanoratany an’ireo[7], izay tsy mitovy amin’ireo didy hafa nosoratan’i Môizy[8]. Ireo no mitambatra ho tenin’Andriamanitra amin’ny anarana ambony indrindra. Ao amin’ny bokin’ny Eksaody[9] sy ao amin’ny an’ny Deterônômy[10] no nampitàna an’ireo amintsika. Nanomboka hatramin’ny Testamenta Taloha no nahatonga ireo “teny folo”[11] ireo ho fanovozan-kevitry ny boky masina, nefa ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao ao amin’i Jesoa-Kristy no voambara ny hevitra feno raketin’izy ireo.

Loharano ôfisialy ↗