“Ry Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko…?”
Laharana 2054 amin’ny Katesizy
Noraisin’i Jesoa indray ny didy folo, saingy naharihariny ny herin’ny Fanahy miasa ao amin’ny teny tsirairay. Notorìny ny fahamarinana izay mihoatra noho ny an’ny mpahay lalàna sy ny Farisianina[4] mbamin’ny an’ireo jentily[5]. Novelabelariny izay rehetra takìn’ny didy : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Tsy hamono olona ianao… Fa izaho kosa milaza aminareo hoe : Na iza na iza mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny tribonaly” (Mt 5.21-22).