II. Ny didin’ny Fiangonana
Laharana 2043 amin’ny Katesizy
Ny didy fahefatra (“Amin’ireo andro fivalozana naraikitry ny Fiangonana, ny mpino dia tsy maintsy mifady hena sy mifehy tena amin’ny fifadian-kanina”) no miantoka ny fotoanan’ny famolahan-tena sy fivalozana izay manomana antsika amin’ny fety litorzika sy mandrisika antsika hahay mifehy ny tosi-kerim-panentana ao anatintsika sy ny fahafahan’ny fo[86].
Ny didy fahadimy (“Ny mpino dia tsy maintsy miantoka ny fanampiana amin’izay ilain’ny Fiangonana”) no milaza fa ny mpino rehetra dia tsy maintsy miantoka ny fanampiana amin’izay ilain’ny Fiangonana na ara-bola na ara-pitaovana, ny tsirairay araka izay herim-pahazoany manao izany[87].