I. Fiainana ara-môraly sy Toniam-pampianaran’ny Fiangonana
Laharana 2037 amin’ny Katesizy
Ampianarina ny mpino fa ny Lalànan’Andriamanitra, nankinina amin’ny Fiangonana, no lalan’ny fiainana sy ny fahamarinana. Noho izany, manana zo ireo mpino[80] ho ampianarina ny didin’Andriamanitra mahavonjy, izay manadio ny fisainana mandanjalanja, ary, miaraka amin’ny fahasoavana, manasitrana ny sain’olombelona voaratra. Manana adidy koa anefa izy ireo hitandrina ny lalàm-panorenana sy ny didy hitsivolana avoakan’ny manam-pahefana ara-dalàna ao amin’ny Fiangonana. Na dia ireo fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana aza, dia mitaky fanekena ao anatin’ny fitiavana.