I. Fiainana ara-môraly sy Toniam-pampianaran’ny Fiangonana

Laharana 2035 amin’ny Katesizy

Ny ambaratonga fara tampony fandraisana anjara amin’ny fahefan’i Kristy dia iantohan’ny fanomezam-pahasoavana tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana. Manenika faran’izay lavitra tahaka ny tahirim-Panambaràn’Andriamanitra koa io tsy feteza-mandiso io[77]; ary mbola manenika ny singafototra rehetra amin’ny fitambaram-pampianarana, ao anatin’izany ny môraly, izay raha tsy misy an’ireny ny fahamarinana mahavonjy momba ny finoana, dia tsy mety ho voatahiry, voazava na voatandrina[78].

Loharano ôfisialy ↗