III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Manao asam-pivavahana ny Lalàna vaovao : ny fiantrana, ny fivavahana ary ny fifadian-kanina, amin’ny fandrindrana an’ireo amin’ny “Ray izay mahita ao amin’ny miafina”, mifanohitra amin’ny faniriana “ho hitan’ny olona”[25]. Ny “Rainay” no fivavahany[26].