II . Ny Lalàna taloha

Laharana 1963 amin’ny Katesizy

Araka ny lovam-panahy kristianina, ny Lalàna masina[12], ara-panahy[13] sy tsara[14] dia tsy mbola lavorary. Toy ny mpanabe ny lalàna[15], izay mampiseho ny tsy maintsy hatao, fa tsy manome avy amin’ny tenany ny hery sy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina mba hanatanterahana azy. Noho ny fahotana izay tsy azony esorina, dia mijanona ho lalàm-panandevozana izy. Araka an’i Md Paoly, ny miampanga sy ny mampibaribary ny fahotana izay mamorona ny “lalànan’ny fanirian-dratsin’ny nofo”[16] ao am-pon’ny olombelona, no tena anjara asany. Kanefa, mijanona ho dingana voalohany amin’ny lalan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Lalàna. Manomana sy mandamina ny vahoaka voafidy sy ny kristianina tsirairay izy, ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny finoana an’Andriamanitra Mpamonjy. Mampahazo ny fampianarana izay maharitra mandrakizay izy, tahaka ny Tenin’Andriamanitra.

Loharano ôfisialy ↗