I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Laharana 1960 amin’ny Katesizy
Tsy ny rehetra dia hahatsapa avokoa amin’ny fomba mazava sy eo no eo ny didy avy amin’ny lalàna voa-Janahary. Amin’ny toe-javatra ankehitriny, ilaina ho an’ny olombelona mpanota ny fahasoavana sy ny fanambaràna, mba ho fantatry “ny rehetra ary tsy misy fahasarotana, omban’ny fitokiana mafy orina sy tsy mifangaro fahadisoana”[10] ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-môraly. Ny lalàna voa-Janahary no ahazoan’ny lalàna nambara sy ny fahasoavana, ny foto-piorenana nomanin’Andriamanitra sy nampifanarahina tamin’ny tsanganasan’ny Fanahy.