I. Ny lalàna môraly voa-Janahary

Laharana 1958 amin’ny Katesizy

Tsy miovaova[8] ny lalàna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny fiovaovan’ny tantara eny ; velona maharitra ihany izy ao anaty habetsahan’ny fombam-pisainana sy ny fombam-piainana amam-pitondran-tena, sy manampy amin’ny fivoaran’izany. Mijanona ho manan-kery amin’ny maha-fitsipika azy, ireo fitsipika izay mampiseho ny lalàna voa-Janahary. Na dia hoe holavina hatramin’ny fitsipika fotony aza, dia tsy misy afaka handrava izany na hanesotra izany ao am-pon’ny olombelona. Fa mitranga mandrakariva eny ihany izy, amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny vahoaka :

Sazìn’ny lalànanao marina tokoa ny halatra, ry Tompo, sy sazìn’ny lalàna izay voasoratra ao am-pon’ny olombelona ary tsy voakosoky ny tsy fahamarinana mihitsy[9].

Loharano ôfisialy ↗