II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona

Laharana 1936 amin’ny Katesizy

Raha vao tonga teto an-tany ny olombelona, dia tsy hoe ananany avokoa izay rehetra mety ilainy amin’ny fivoaran’ny fiainany, ara-batana sy ara-panahy. Mila ny hafa izy. Maro ny faha-samy hafa miseho amin’ny taona, amin’ny hery aman-toe-batana, amin’ny fironana ara-tsaina na ara-môraly, amin’ny fifanakalozana izay tokony hahazoan’ny tsirairay tombon-tsoa, amin’ny fitsinjarana  ny harena[43]. Tsy nozaraina mitovy koa ny “talenta”[44].

Loharano ôfisialy ↗