Ny fitiavana
Laharana 1825 amin’ny Katesizy
Maty noho ny fitiavana antsika i Kristy, na dia mbola “fahavalo” (Rôm 5,10) aza isika. Mangataka antsika ny Tompo ho tia ny fahavalontsika[17], tahaka ny nataony, hanao ho namana na dia izay lavitra indrindra aza[18], ho tia ny zaza[19] sy ny mahantra toy ny Tenany ihany[20].
Nanome amboaram-pampianarana tapitr’ohatra momba ny fitiavana i Md Paoly apôstôly : “Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po ; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany ; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra” (1 Kôr 13,4-7).