Ny fitiavana
Laharana 1823 amin’ny Katesizy
Nataon’i Jesoa ho didy vaovao ny fitiavana[15]. Tamin’ny nitiavany ny azy “hatramin’ny farany” (Jo 13,1), no naneho ny fitiavan’ny Ray izay noraisiny Izy. Amin’ny fifankatiavan’ireo samy mpianatra no akan’izy ireo tahaka ny fitiavan’i Jesoa, izay noraisin’izy ireo koa tao amin’izy ireo. Izany no nilazan’ i Jesoa hoe : “Tahaka ny itiavan’ny Ray Ahy no itiavako anareo koa, ka mitomoera ao amin’ny fitiavako ianareo” (Jo 15,9). Ary koa hoe : “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo” (Jo 15,12).