II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Laharana 1767 amin’ny Katesizy
Raha ny maha-firehetam-po ny firehetam-po fotsiny dia sady tsy tsara no tsy ratsy izy. Tsy omena ny filazan-toetra ara-môraly izy afa-tsy izay ankininy tokoa amin’ny saina sy ny sitrapo. Antsoina hoe an-tsitrapo ny firehetam-po “na, satria nobaikoin’ny sitrapo izy, na, satria ny sitrapo no tsy nahasakana azy”[63]. Anjaran’ny fahalavorarian’ny tsara ara-môraly na hatsaran’ny maha-olombelona no manao izay hanitsiana ny firehetam-po amin’ny alalan’ny saina[64].