I. Fahafahana sy andraikitra
Laharana 1736 amin’ny Katesizy
Ny atao rehetra an-tsitrapo mivantana no mety hahadiso an’ilay mpanao izany :
Hoy ny Tompo nanontany an’i Eva avy nanota, tao an-jaridaina : “Inona no nataonao tao ?” (Jen 3,13). Toy izany koa tamin’i Kaina[48]. Dia mbola toy izany koa no nolazain’i Natàna mpaminany tamin’i Davida mpanjaka izay nijangajanga niaraka tamin’ny vadin’i Oria sy nampamono azy io[49].
Mety tsy an-tsitrapo mivantana no nanaovana ny asa iray raha vokatry ny an-tsirambina ny amin’izay tokony ho fantatra na izay tokony ho atao no nahatonga izany. Ohatra : loza avy amin’ny tsy fahaizana ny fitsipika momba ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe.