II. Ny faniriana ho sambatra

Laharana 1718 amin’ny Katesizy

Ny hasambarana notorìn’i Jesoa no mamaly amin’ny faniriana voa-Janahary ho sambatra. Avy amin’Andriamanitra izany faniriana izany ; napetrak’Andriamanitra tao am-pon’ny olombelona izany, mba hanintona azy ho Aminy ilay hany afaka mahampoka azy amin’izany :

Samy te hiaina ao anatin’ny hasambarana isika rehetra, ary eo amin’ny zanak’olombelona, tsy misy olona izay tsy mankasitraka izany tolo-kevitra izany na dia tsy voalaza mazava mialoha aza[32].

Nahoana moa aho no mitady Anao, ry Tompo ? Satria eo am-pitadiavana Anao, ry Andriamanitro ô, mitady ny fiainan-tsambatra aho, ataovy mitady Anao aho mba ho velona ny fanahiko, satria ny vatako miaina amin’ny fanahiko ary ny fanahiko miaina Aminao [33].

Andriamanitra irery no maha-afa-diana[34].

Loharano ôfisialy ↗