II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana

Laharana 1687 amin’ny Katesizy

Ny fandraisana ny mpiara-miangona. Ny fiarahabana amim-pinoana no manokatra ny fankalazana. Ny havan’ny maty no raisina amin’ny alalan’ny teny “fampiononana” (amin’ny hevitry ny Testamenta Vaovao : ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny fanantenana[18]). Ny mpivavaka izay mivory dia miandry koa ny “tenin’ny fiainana mandrakizay”. Ny fahafatesan’ny rantsambatana iray amin’ny mpiray fiangonana (na ny andro tsingerin-taona, ny andro fahafito na ny andro fahatelopolo) dia fisehoan-javatra izay manery hampihoatra ny fomba fijery any ankoatra “ity fiainana an-tany ity” sy mitarika ny mpino ho amin’ny tena fomba fijery marina ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona.

Loharano ôfisialy ↗