Mino isika

Laharana 167 amin’ny Katesizy

“Izaho mino”[184]: izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny mpino tsirairay, indrindra amin’ny fotoana andraisana ny Batemy. “Mino izahay”[185] : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny Eveka tafavory amin’ny Kônsily, na matetika amin’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino amin’ny litorzia. “Izaho mino” : hoy koa ny Fiangonana, Renintsika, izay manoina an’Andriamanitra  amin’ny alalan’ny finoany, sy mampianatra antsika hanambara hoe : “Izaho mino”, “Mino izahay”.

Loharano ôfisialy ↗