VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Laharana 1660 amin’ny Katesizy
Ny fifanekem-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina eo amin’izy roa, dia naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana. Araka ny toetra voa-Janahary momba ny fifanekem-panambadiana dia nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana ny zanaka izany. Nasandratr’i Kristy Tompo ho amin’ny hasin’ny sakramenta izany eo amin’ireo vita batemy[186].