VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Laharana 1655 amin’ny Katesizy
Sitrak’i Kristy ny ho teraka sy hitombo teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Josefa sy Maria. Tsy hafa tsy akory ny Fiangonana fa ny “fianakavian’Andriamanitra”. Hatrany am-piandohany, ny antokon’olona tao amin’ny Fiangonana, dia matetika niorina avy amin’ireo izay nanjary mpino “niaraka tamin’ny ankohonany manontolo”[179]. Rahefa nibebaka izy ireo, dia nirin’izy ireo koa ny hahavoavonjy “ny ankohonany manontolo”[180]. Ireny fianakaviana nanjary mpino ireny no vondron-trano voafaritry ny fiainana kristianina eo amin’ny tontolo tsy mpino.