Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay

Laharana 165 amin’ny Katesizy

Amin’izany isika no tsy maintsy mitodika mankamin’ireo vavolombelon’ny finoana : I Abrahama, izay nino “ary nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenana aza” (Rôm 4,18) ; i Maria Virjiny, “nandroso tamin’ny lalan’ny finoana”[181], ka tafapaka hatramin’ny “haizin’ny finoana”[182] raha niombona fijaliana tamin’ny Zanany sy ny haizina mikitroky ny fasany[183] ; ary ny hafa maro vavolombelon’ny finoana : “Noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany, dia aoka isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra sy ny fahotana izay mangeja antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, mibanjina an’ilay filohan’ny finoantsika, izay mitondra ny finoana amin’ny fahalavorariana, dia i Jesoa” (Heb 12,1-2).

Loharano ôfisialy ↗