Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana
Laharana 1645 amin’ny Katesizy
“Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olona tsirairay izay tsy maintsy fantarina eo amin’ny vehivavy sy eo amin’ny lehilahy ao anatin’ny fitiavana feno fatra izay ifanoloran’izy roa ny tenany dia mampiseho mazava ny maha-tokana ny fanambadiana, nohamafisin’i Jesoa Tompo”[169]. Ny fampirafesana dia manohitra izany fitoviana haja aman-kasina izany sy amin’ny fitiavan’ny mpivady izay tokana sy tsy ananan-droa[170].