Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina
Laharana 1635 amin’ny Katesizy
Araka ny lalàna manan-kery ao amin’ny Fiangonana latinina, ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana, mba ho ara-dalàna izy, dia mila ny fahazoan-dalana mazava avy amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana[152]. Eo amin’ny an’ny tsy mitovy fivavahana dia takìna ny fanomezan-dalana manokana mazava amin’ny fanalana sampona mba hanan-kery ara-dalàna ny fanambadiana[153]. Io fahazoan-dalana io na io fanomezan-dalana manokana io, no mitaky fa ny andaniny sy ny ankilany dia mahalala sy tsy manohitra ny tanjona sy ny toetra manokana maha-izy ny fanambadiana ary koa anamafisan’ilay an-daniny katôlika ny fampanantenana nataony, sy entina koa ho amin’ny fampahalalana mazava ny an-kilany tsy katôlika, itahirizana ny finoany ary iantohana ny fanaovana batemy sy ny fanabeazana ny zanaka ao amin’ny Fiangonana katôlika[154].