Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Laharana 1613 amin’ny Katesizy
Tamin’ny fiandohan’ny fiainany ampahibemaso no nanaovan’i Jesoa ny famantarana voalohany – noho ny fangatahan’ny Reniny – tamin’ny fety fampakaram-bady iray[118]. Manome lanjany lehibe tamin’ny fanatrehan’i Jesoa ny fampakaram-bady tao Kanà ny Fiangonana. Hitany ao ny fanamafisana ny hatsaran’ny fanambadiana sy ny fanambaràna fa hatramin’izao ny fanambadiana dia ho famantarana mahomby amin’ny fisiana maha-eo an’i Kristy.