Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny Lalàna
Laharana 1611 amin’ny Katesizy
Ny fandinihana ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra tamin’i Israely, izay naseho an-tsary tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady, tokana sy tsy mivadika[115], no nanomanan’ny mpaminany ny kônsiansin’ny vahoaka voafidy amin’ny fahatakarana lalina ny maha-tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana[116]. Nanome porofo mampihetsi-po ny dikany avo ny fanambadiana, ny tsy fivadihana ary ny fanehoam-pitiavan’ny mpivady, ny bokin’i Rota sy Tobia. Mandrakariva, ao amin’ny Tonon-kira dia Tonon-kira no ahitan’ny Lovam-pampianarana ny fomba fanehoana manokana ny fitiavan’olombelona amin’ny maha-taratry ny fitiavan’ Andriamanitra azy, “fitiavana mahery noho ny fahafatesana” izay “tsy mety ho safotry ny ranobe” (Ton 8,6-7).